- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo : Taxi-be tapaka « frein », nandratra olona indray

Ambohijatovo : Taxi-be tapaka « frein », nandratra olona indray

Ny eo tsy mbola sitrana akory, ny hafa misosoka ihany ! Tetsy Ambohijatovo indray, taxibe avy ao amin’ny zotra 119 no voalaza fa nikivalavala ary nifaoka fiara maromaro, omaly. Nifangaro tao avokoa na ny fiara na ny môtô na … ny olona !

Loza mahatsiravina indray no nitranga tetsy amin’ny fidinanan’Ambohijatovo, omaly hariva, tokony ho tamin’ny telo ora tany ho any. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso, dia toa hoe nisy olana ara-teknika ity taxibe mampitohy an’Ankatso sy 67ha ity, raha vao nivoaka fotsiny ny tonelina Ambanidia. Tsy tanan’ny hisatra intsony mantsy ilay fiara ary nikivalavala tsy tana nihazo iny fidinana iny. Tamin’io fotoana io dia somary mbola nalalaka ihany ny lalana teny ambony saingy tety ambany, alohan’ny hiditra ny rond point iny no efa somary nitohana. Moa tetsy andanin’izay, efa nihamaro ireo olona nifanaretsaka teny an-toerana. Niezaka  nanao izay vitany tamin’ny fampijanonana ilay fiara ihany ny mpamily saingy tsy nisy vahaolana afa-tsy ny fandonanana ireo fiara tafajanona tao anaty fitohanana. Fiara fito be izao no indray no nifanosina teo, niaraka tamin’ny môtô iray, izay tratra teo anelanelan’ireo fiara. Ny iray tamin’ireto farany aza, taxi iray, tena potika tanteraka sy tafatodika toa ireny hiverina any amin’ny tonelina ireny indray, noho ny hamafin’ny dona. Ny tena loza anefa, tsy mbola tafajanona tamin’izay ity fiara « adala » ity, fa mbola nandeha nidrisina tety amin’ny sisin-tambohon’ny parc teo Ambohijatovo ihany ary teo vao tafajanona tanteraka. Nandriaka indray ny rà. Olona roa no fantatra fa tena voa mafy tao anatin’izany loza izany. Ny iray voaterin’ilay fiara teo amin’ny fefy ary ny iray voadona, ny ankoatr’izay saika nahitàna faharatrana madinidinika avokoa. Samy nahitana fahapotehana daholo ihany koa tetsy andanin’izay ireo fiara nifandona. Tazana tonga teny an-toerana avokoa moa, na ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarin’ny boriborintany faharoa, na ny teo anivon’ny misahana ny lozam-pifamoivoizana. Ireto farany izay nitondra avy hatrany ilay mpamilin’ilay taxibe, hofotopotorana ary nanaraka ireo naratra tany amin’ny hôpitaly, haka ny mombamomba azy ireo.

Ankoatry ny tsy fandriampahalemana, izay manjaka eto an-drenivohitra, ary nandraisan’ireo lehiben’ny mpitandro filaminana andraikitra manokana sy nidinana ifotony mihitsy omaly alina, mila hilàna fiheverana dieny izao ihany koa ity lozam-pifamoivoizana saika ho isan’andro ity, na ny eto an-drenivohitra na amin’ireo lalam-pirenena.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici