- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo - Taxi-be tapaka « frein » : mpanao « taxiphone »...

Ambohijatovo – Taxi-be tapaka « frein » : mpanao « taxiphone » telo naratra mafy

Ny fisian’ity moto ity no mba nampihena kely ny fahavoazana.
Ny fisian’ity moto ity no mba nampihena kely ny fahavoazana.

Olona dimy no indray nofaohin’ilay fiara fitaterana. Ny telo tamin’ireo, vehivavy ny iray, no tena voa mafy. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany teo, tetsy amin’ny tsenan’Ambohijatovo, no nitrangan’ny loza. Tapaka “frein” ilay taxi-be zotra 119 ary nifatratra tany amin’ireo mpanao taxi-phone eo amin’ny tambohon’ny tsena. Nisy ny voahitsaka teo amin’ny tongotra. Ny tena voa mafy dia ireo voadona teo amin’ny tratrany. Nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany izy ireo. Nisy ihany koa olona roa hafa izay isan’ny voadona. Saingy mba nihena noho ny nahazo ireo taxi-phone ny fahavoazana, satria nisy moto scooter nijanona teo. Voadona ihany koa io ary potika tanteraka, saingy mba nampihena ny fahavoazana. Tsy tonga tany amin’ireo taxi-phone hafa ilay fiara. Fanindroany izay no nisy lozam-pifamoivoizana nitranga teo Ambohijatovo. Izany dia nifanelanelana iray volana monja. Ny nitovizany dia samy fiara fitaterana hatrany no nahavanon-doza ary samy tapaka “frein”. Tsy tokony hohamaivanina izany satria samy ain’olona no voakasika. Tsy mitombina tanteraka ny filazàna fa loza toy ny loza rehetra ny toy ireny. Mipetraka ny fanontaniana raha tena manara-dalàna ny fitsirihina ara-teknika ny fiara fitaterana eto amintsika. Sady efa antitra mantsy izy ireny no tsy zarizary ny motera, indrindra koa ny “frein”. Ny fiara anefa miasa isan’andro, mandritra ny herinandro. Maro ny tavela an-dàlana ary maro koa ny mamono olona, ny olona izay sady efa mandoa saram-piterana no asesika ohatra ny biby, nefa dia mbola miady aman’aina ihany koa isaky ny mandeha fiara toy ireny. Tsy tokony hohamaivanina satria mahakasika ny andavan’andron’ny olona…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser