- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo : Taxibe tapaka hisatra nandona fiara roa

Ambohijatovo : Taxibe tapaka hisatra nandona fiara roa

Ireo indray ry taxibe ! Fiara mpitatitra iray mampitohy an’Ankatso sy 67ha no tapaka hisatra tetsy Ambohijatovo. Nifatratra tamina takelaby nisy dokambarotra iray ilay fiara avy eo nandona fiaran’olon-tsotra roa. Soa ihany, tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tao anatin’izany, saingy ny fahasimban-javata no betsaka. Tokony ho tamin’ny enina ora sy fahefany tany ho any no nitranga ny loza. Araka ny fitantaran’Atoa Randrianarison Michel, mpamilin’ilay fiara nodonin’ity taxibe 119 ity farany : « Avy nanatitra mpiasa nandeha nody aho ary hamonjy ny toeram-piasana no niseho ny loza, teo amin’iny fidinana avy nivoaka ny tonelina Ambanidia iny, hihazo an’Ambohijatovo. Tsy fantatra izay nahazo ilay fiara avy fa sady nandeha mafy no nikivilavila be ihany, tazako tao anaty « retroviseur ». Nandona ireny andrim-by mpitondra takelabin-dokambotra ireny ity minibus ity, saingy mbola tsy nijanona fa mbola nikivalavala nidina ihany. Fiara iray tao aoriako ihany koa nodominy avy eo nifatratra teny amiko ary izay vao tafajanona. Soa ihany fa nahay niala aho raha tsy izany dia naratra ». Nambarany moa fa raha tsy nisy azy sy ny fiarany nifatraran’ity taxibe ity, dia angamba ho faty olona nikararana hatrany Andohan’Analakely any no noraofina satria fidinana no tsy mety tafajanona ilay fiara. Satria moa tsy nisy naratra tao anatin’izany loza izany, dia novitaina tamin’ny fifanarahana ara-piantohana fotsiny ny resaka teo amin’ireo voa sy ity taxibe ity. Na izany aza, dia manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ity mpamily afa-doza ity, ny amin’ny faharatsian’ity fiara nandona azy ity. « Tena efa zara raha fiara, hoy izy, satria na ny ao anatiny, na ireo kojakoja rehetra ara-teknikan’ny fiara dia toa tsy misy mandeha amin’ny lalany avokoa, kanefa dia hoe fitateram-bahoaka » hoy hatrany izy. Tsy ity fiara ity irery, fa mbola maro ireo mandeha eto amintsika no tsy tomombana velively amin’ny lafiny kalitao takiana amin’ny maha fiara fitateram-bahoaka azy. Tsy mahagaga tokoa araka izany raha maro ireo lozam-pifamoivoizana mitranga aterak’ireny fiara ireny. Ny mahazo loza, ny lasibatra sy ny mibaby kitra ao anatin’izany anefa tsy iza, fa ireo mpanjifa sy mpandeha ary ireo tsy manan-tsiny hafa, toy ireo fiara roa nodonin’ity zotra 119 ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici