Tovolahy iray antsoina hoe Nounou, no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Boriborintany voalohany, ny zoma lasa teo noho ny sinto-mahery. Tamin’ny 7 ora hariva no niseho ity tranga ity tetsy Ambohijatovo. Lehikahy iray 45 taona handeha hody avy niasa ka saika handray zotra 119 teo Ambohijatovo. Raha nikasa ny hody rehefa avy niasa ny lehilahy iray tokony ho 45 taona, dia nandalo teo amin’ny fiantsonan’ny taxibe 119 teo Ambohijatovo no lasibatr’ity jiolahy ity sy ny namany iray io hariva io. Raha mbola niandry teo iny anefa izy no tsikaritr’ireto olon-dratsy roa. Nohodidin’izy ireo avy hatrany ilay lehilahy. Ny iray nibahana azy avy teo aloha mba tsy ho tafiditra ny taxibe; izay saika hidirany. Ny faharoa kosa avy tao aoriana nanokatra ny kitapony ka nisintona ny « ordinateur portable » iray mitetim-bidy 3.400.000 ariary. Nirifatra nandositra avy hatrany izy roa lahy avy teo. Raikitra ary ny fanenjehana teo amin’ilay voaendaka sy ireo olon-dratsy. Tsy lavitra teo anefa dia voasambotry ny polisy nanao fanamiana sivily ny iray tamin’ireo olon-dratsy; izay fantatra fa monina eny Andohatapenaka. Tafaporitsaka kosa ilay namany antsoina hoe Eric. Ity farany moa no nitondra ilay « ordinateur portable » nandositra.Nentina teo anivon’ny kaomisarian’ny Boriborintany voalohany i Nounou mba hanaovana fanadihadiana. Niaiky ny helony izy, ary tamin’izany koa no nahafantarana ny fonenan’ilay namany. Rehefa nosavaina moa ny tranony dia efa tsy tratra tao intsony izy. Nambaran’i Nounou nandritra ny fanadihadiana azy, fa efa hatramin’ny taona 2017 izy roa lahy no nangarom-paosy teny amin’ny faritra Meteo Ampasapito sy Ambohijatovo ka vola sy finday maro no efa azony tamin’izany.
T.M.