- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Ben’ny tanàna sy ny rahalahiny maty voatifitra

Ambohimahasoa : Ben’ny tanàna sy ny rahalahiny maty voatifitra

Ny sabotsy alina lasa teo, namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambalakindresy sy ny rahalahiny, raha teny ambony môtô sy an-dalana handeha hamonjy fodiana iny. Raha ny fantatra dia avy namonjy lanonam-pamorana zaza izy mirahalahy ireto no tojo izao zava-doza izao. Hatreto dia mifamahofaho be ihany ny toe-draharaha mahakasika ity vono olona ity. Misy feo miely mantsy fa hoe zandary nanara-dia dahalo tany an-toerana no nitifitra ity olom-boafidy ity sy ny olona niaraka taminy. Ao kosa ireo milaza fa jiolahy izay nanao vela-pandriaka no nanao izany. Raha ny mikasika ilay filazàna voalohany dia nilaza mazava ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa tsy marina velively izany. « Entina andotoana ny zandary io resaka io. Ekena fa nifanena tamina mpanara-dia dahalo ity olom-boafidy tao Ambakindresy ity, niaraka tamina lehilahy iray, nitondra môtô. Nifampiresaka ary dia samy lasa. Hatreo anefa no nahitàna azy ireto farany. Ny sabotsy alina izahay vao nahare fa maty voatifitra izy ireo », hoy ny fanazavàna azo. « Nisy avy hatrany fanadihadiana sy ny fidinana ifotony, ary tsy nisy vavolombelona nijoro tamin’izany fa hoe zandary no nitifitra azy ireo. Ambonin’izay dia nifanalavitra an-kilaometatra maro dia maro ny toerana nifanenan’izy ireo sy ny toerana voalaza fa nahafaty ilay ben’ny tanàna sy ny rahalahiny ». Na izany na tsy izany anefa dia nilaza izy ireo fa tsy maintsy hanohy ny fanadihadiana lalindalina kokoa, ahafantarana izay tena marina. Ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny zandarimarim-pirenena rahateo dia efa nilaza fa tsy handefitra velively amin’izay zandary voamarina fa nihoa-pefy. Marihana fa isan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo ny kaominina misy ity olom-boafidy ity. 

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici