- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Dahalo dimy nahatratrarana basy kalach iray niampy bala efatra

Ambohimahasoa : Dahalo dimy nahatratrarana basy kalach iray niampy bala efatra

Voasambotry ny zandary ary natolotra ny fitsarana ny alatsinainy teo, ary mifonja vonjimaika amin’izao, ny dahalo dimy nanao fanamiana miaramila nirongo fitaovam-piadiana maherivaika nanafika tokantrano iray tao amin’ny kaominina Vohitrarivo, distrikan’Ambohimahasoa, ny asabotsy lasa teo. Tamin’ity fanafihana ity dia basim-borona iray sy bala miisa roa no lasan’ireo jiolahy. Tampoka tamin’ny niharan’ny fanafihana ny fahatongavan’ireo malaso ka tsy afa-nanohitra ny tao an-trano.

Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny zandary avy ao Isaka dia tratra ireto andian-jiolahy ireto ary mbola hita teny amin’izy ireo ny basy Kalachnikov iray sy bala efatra ary antsilava miisa dimy fitondran’izy ireo mandroba. Niaiky ny heloka vitany izy dimy lahy nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Any am-ponja izany izy ireo no miandry ny fotoam-pitsarana.
Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser