Raha natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany moa no asan’ireo eo anivon’ny tafika, dia ny mifanohitra amin’izany indray no hita indraindray. Manohy hatrany ny fanaparany fahefana ny miaramila sasany. Ny alahady lasa teo, nandritra ny lanonana seho an-tsehatra nataona mpanakanto iray tany amin’ny kaominina Ambohimahasoa, distrikan’i Fianarantsoa, dia nisy ny fifanolanana teo anivon’ny samy tompon’andraikitry ny filaminana sy ny fiambenana, dia ny miaramila sy ny ZAMA izany. Ireto farany moa dia karazana polisim-bohitra na andrimasom-pokon’olona amin’ny faritra ambanivohitra. Nisy ny fifampikasihan-tànana teo amin’ny roa tonta ka vokatr’izany dia naratra ny sasany tamin’ireo miaramila. Tsy namela ny raharaha ho vita mora tamin’izao moa ireto farany fa dia nanatanteraka sava hao eran’ny tanàna mba hikarohana ireto ZAMA ireto omaly maraina. Noho ny azon’izy ireo moa ireo mpikamban’ny ZAMA dia notaritarihin’ireo miaramila tsisy hantra hatreo amin’ny anoloana tranom-panjakana iray. Avy hatrany moa ireto miaramila dia nampihatra fitsaram-bahoaka tamin’ireo voalaza fa nandratra ny naman’izy ireo. Nodarohan’izy ireo tsy nisy indra fo ireo ZAMA azony. Saingy tsy vitan’izany fa mbola nosorana sakay ihany koa ny maso sy sofin’ireo tsy manam-piaro. Raha ny vaovao voaray hatrany moa dia niseho teo ambanin’ny mason’ny lehiben’ny Distrika sy ny ben’ny Tanàna izany rehetra izany. Ny vahoaka nahita sy nanatrika moa dia samy naneho ny alahelony avokoa manoloana izao fanaparam-pahefana sy fampijalian’olona mihoam-pampana izao. Saingy tsy nisy afa-nanoatra satria tokoa dia atody miady amam-bato ny tena. Ny olona sasany moa dia vaky vava tanteraka fa toa ny miaramila indray no manome ohatra ratsy niseho. Hatraiza ny maha-tany tan-dalàna an’i Madagasikara izay dradradradraina lava eto amin’ny firenena raha ny fankatoavana ny lalàna mifehy aza tsy misy akory ?
Niony H.