- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Kalach sy MAS 36 hita nandritra ny fisavàna, roa no...

Ambohimahasoa : Kalach sy MAS 36 hita nandritra ny fisavàna, roa no lavo

Tao Ambohimahasoa no raikitra ny fisavàna trano nataon’ny zandary taorian’ny fanangonam-baovao  nataon’izy ireo. Basy lava Kalachnikov ny iray ary MAS 36 kosa ny faharoa. Avy hatrany dia niantefa tany amin’ny tompon-trano ny ahiahy. Inona tokoa fa raha vao nahita ireo mpitandro ny filaminana izy ireo dia nitsoaka avy hatrany. Ny iray efa nanaovana tifi-danitra kanefa mbola nanohy ny diany hatrany, raha araka ny fanazavan’ny zandary hatrany. Teo no tsy maintsy nampiasàna hery amin’izay ary maty voatifitra. Ny lehilahy faharoa kosa indray dia nitsambikina avy teo amin’ny varavaran-kely teny ambony rihana. Io indray dia tsy maty voatifitra fa kosa ny fahavoazana noho izany fianjerana izany no nitarika ny fahafatesany. Azo eritreretina fa misandrahaka amin’ny toerana samihafa ity tambajotran-jiolahy ity, satria tonga hatrany Befotaka-Atsimo ny fisavàna trano, taorian’Ambohimahasoa. Tany koa dia nisy ny fitaovam-piadiana izay hita ary nogiazana avy hatrany. Mifantoka amin’ny ampahany amin’ny fiparitahan’ny basy ny asa fitsikilovana eo anivon’ny zandary izay tafiditra ao anatin’ny hetsika « Mandio » ankehitriny, raha araka ny fanazavana azo. Paik’ady izay azo eritreretina fa hampihena ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo isan-karazany izany satria tokoa rehefa tsy misy na mihena an’isa ny basy izay mety hampiasain’ireo olon-dratsy ireo dia mijanona ho azy amin’ny fanatontosana fanafihana izy ireo. Mila fanamafisana ny asa fitsikilovana anefa izany satria miankina amin’ny fanangonam-baovao hatrany ny fomba hahitàna ny basy sy izay mety ho tompony.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici