Fitaovam-piadiana Kalachnikov roa miaraka amin’ny fahana iray sy bala roa, Mas 36 iray ary basy vita gasy no nisy nanatitra tao amin’ny kaomisaria Ambohimahasoa, ny herinandro teo. Olona nipetraka tao amin’ny faritra Sahatona Ambohimahasoa no nitazona ny basy Kalachnikov iray ka taorian’ny fanentanana dia tapa-kevitra nanatitra izany ny tenany. Araka ny fantatra raha tao anatin’ny taona iray, miisa 46 ny basy vita gasy ary efatra kosa ny Kalachnikov nisy nanatitra sy voarain’ny kaomisaria Ambohimahasoa. Nanamafy izany Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Matsiatra Ambony ny kaomisaria Randrianasolo Pascal.
Tsiahivina fa ny taona 2020 dia nanao antso avo sy nanentana ireo izay mbola manana sy mitahiry fitaovam-piadiana ny fitondra-panjakana mba hanatitra izany eny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Nisy nanamly antso ary nahitam-boakany izao namerenana ireto basy mahery vaika ireto.
Yv Sam