- Publicité SW45 -
jeudi, octobre 24, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Mpanakan-dalana iray maty voatifitra

Ambohimahasoa : Mpanakan-dalana iray maty voatifitra

Mafampana indray tato ho ato iny faritra manodidina an’ Ihorombe sy ny aty amin’ ny Camp Robin iny, indrindra amin’ ny fanafihana fiara taxi-brousse. Vao roa andro lasa izay no nisy fiara Mazda taxi-brousse notorahan’ ireo olon-dratsy vato tseo amin’ny fitaratra raha nandalo iny Camp Robin iny, ny harivariva an’ io andro voalaza etsy ambony io. Tsy nijanona moa ity Mazda fa nanohy ny lalany hatrany ka raha vao nahita tobin-jandary tao aloha tao dia nijanona ary nitantara ny zava-nitranga tamin’ ireto manam-pahefana.  Tsy niandry ela ny zandary tany an-toerana fa tonga dia niditra tao anatin’ ilay fiara ary nitodi-doha teny amin’ ilay toerana nisehoan’ ny fitorahana. Raha vao nandalo teo anefa ilay fiara dia mbola raikitra ihany ny tora-bato, ka tonga dia nijanona sy nivoaka ny fiara avy hatrany.  Somary maizaina moa ny andro ka avy hatrany dia nitifitra ireo olon-dratsy ireo zandary rehefa nahafantatra ny fiavian’ ilay vato. Tsy voamarik’ ireto mpanakan-dalana akory fa fiara efa nandalo teo anoloany no nanao tampody fohy niverina.  Maty voatifitra moa ny iray tamin’ ireto dahalo fa ilay namany iray kosa afaka nitsoaka tany anaty ala.

Efa misy moa ny fepetra raisina amin’ ny tsy tokony handehanan’ ny fiara mitokantokana amin’ ny alina fa dia miaraka andiany dimy farafahakeliny, kanefa dia izay farany amin’ ny fiaraha-mizotra indray, na « caravane », izao no somparan’  izy ireo amin’ ny tora-bato. Eo ihany koa ny tsy tokony hitondran’ ny mpandeha volabe na zavatra sarobidy mandritra ny dia ataon’ izy ireo.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser