- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Nifampitifitra indray ny zandary sy ny dahalo, roa naratra

Ambohimahasoa : Nifampitifitra indray ny zandary sy ny dahalo, roa naratra

Nitrangana fifandonana indray teo amin’ny zandary sy ireo olon-dratsy tao Ambohimahasoa ny alarobia lasa teo. Vokany azo teny am-pelan-tanan’ireo mpanao ratsy ny basy « kalach » iray, niaraka tamina fitoeram-bala efa tsy nisy n’inona n’inona intsony. Voalaza, fa nisy roa tamin’ireo olon-dratsy no naratra voatifitra, saingy nentin’ny namany nitsoaka ihany izy ireo. Tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Vohitrarivo, kaominina Ambohinamboarina no nitrangan’ity fifandonana mahery vaika araka ny fampitam-baovao azo tany an-toerana. Raha handeha hanao fisafoana tany amin’io tanàna voalaza mantsy ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Isaka, izay notarihan’ny lehiben’izy ireo no nifanehitra tamin’ andian’olona nampiahiahy, nilanja basy mahery vaika. Nanatona avy hatrany ireo mpitandro filaminana kanjo tsy nisalasala mihitsy ireo olon-dratsy nitifitra azy ireo. Voatery namaly iretsy voalohany ka niafara tamin’ny fahazoana an’io basy « kalach » io.

Marihana, fa tao anatin’ny volana vitsivitsy, izay nifehezan’ny kaomandin’ity tobim-paritra Isaka ity, dia efa basy telo mahery vaika no azo teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy. Ny voalohany, dia basy vita gasy, tsy misy mahasamihafa azy amina « Mas 36 », izay azo teny amina mpianaka. Fanarahan-dia nataon’ireto zandary ireto taoriana vaky trano niseho tao amin’ny kaominina Isaka no nahafahan’izy ireo nahazo ilay vokatra. Tratra tao an-tranon’ireto mpianaka ireto moa io basy io, niaraka tamin’ireo entana halatra norobain’ireto olon-dratsy. Efa nijinja ny asa ratsy nataony any am-ponja moa ireto olona ireto, raha ny vaovao hatrany. Ny basy faharoa dia basy « kalach » ihany koa izay azo taorian’ny angom-baovao sy ny fanadihadiana lalina mahasika vono olona. Tao amin’ny fokontany Fiva, kaominina Andremalama, distrika Isandra no nahazoana izany. Ary ny farany dia ity sarona taoriana fifandonana mahery vaika ity. Marihana, fa mbola faritra mena amin’ny resaka tsy fandriampahalemana iny distrikan’Ambohimahasoa iny. Na izany aza, dia tsy mikely soroka tokoa ireo mpitandro filaminana  miezaka mampandry fahalemana ny tany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici