Efa ray tsy mifaditrovana mihitsy ! Lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe « Jean Jacques » no lavon’ny balan’ny pôlisy rehefa tsy nety natao sambo-belona, tany amin’iny distrika Ambohimahasoa iny. Izany dia taorian’ny fanenjehan’ny pôlisy azy, raha avy namono nahafaty ny zanany vavikely vao enin-taona monja, rehefa avy nampiharany ny filan-dratsiny.
Araka ny tatitra azo avy amin’ny pôlisim-pirenena dia fantatra fa jiolahy rain-dahiny, ary isan’ny nampikaikaika ireo mponina tany amin’iny distrika iny ity lehilahy ity. Na io amina resaka asan-dahalo na resaka fanafihana mitam-piadiana. Efa maherin’ny 50 isa any ho any ireo olona novonoiny, araka ny fanazavàna azo hatrany. Omby efa an-jatony mahery ihany koa no efa azon’Ingahy Jean Jacques sy ny ekipany. Ny habibiana farany nataony dia ity tamin’ny zanany ity sy ny rafozany. Rehefa nanamparany ny filàny mantsy ilay ankizivavy kely vao enin-taona monja dia nofirainy tamin’ny famaky ny lohany, ho faty. Taorian’io dia novelesiny tamin’ny akalo ihany koa ny rafozany ho faty. Nitsoaka ranamana taorian’izay habibiana nataony izany saingy ny alin’io dia nifanenjehan’ny pôlisy teny Ambohitsaramadina, Ambohimahasoa. Tsy nety nilavo lefona mihitsy izy tamin’io fotoana io ary mbola namaly ireo nanenjika azy aza. Hany ka voatery nitifitra ireo pôlisy ary lavo nandritra izany ity jiolahy rain-dahiny ity. « Tantara ratsy iray ho an’ny mponin’Ambohimahasoa ity nivalona ity ka feno hipoka ny kianjan’ny kaominina nitangorona sy nijery raha vantany vao nahare fa lavon’ny polisin’Ambohimahasoa ity dahalo izay fototry ny fahorian’izy ireo ity. Miezaka hatrany ny Polisim-pirenena mampandry fahalemana ny faritra rehetra izay nametrahana azy ireo ary mijoro ho aron’ny vahoaka sy ny fananany sy ho andrin’ny filaminana», hoy ny fampitam-baovao.
m.L