Ny alarobia lasa teo, dia niparitaka tao anaty tambazotra sosialy ny filazana, fa « nisy olona roa notifirin’ny pôlisy avy ao Ambohimahasoa tsy ara-drariny . Ary tsy vitan’izay fa mbola nogiazana ny ombin’ireo olona ireo. Omby, izay araka ny voalaza dia manana taratasy ara-dalàna, saingy noterena fotsiny hoe tsy misy taratasy ». Nisy sarin’ireo taratasin’omby mihitsy aza moa tamin’io fotoana io nalefan’ilay olona nanaparitaka izany filazana izany.
Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena, dia tsy mitombina velively io filazana io, satria dia ara-dalàna avokoa ny hetsika natao ary nisy mihitsy aza ny « ordre de perquisition » azo avy tamin’ny tribonaly. Ankoatr’izay, dia « efa nahazoana angom-baovao ireto olona ireto, fa anisan’ny lehiben’ireo dahalo izay mampitondra faisana iny faritra iny ary efa nametrahan’ny fokonolona taratasy fitarainana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ». Ambonin’izay, dia nisy ny valan-dresaka nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana any Ambohimahasoa, mivondrona eo anivon’ny OMC; izay nahitana: ny Lehiben’ny distrika, ny solom-bavambahoaka ary ireo lehibe tompon’andraikitra eo anivon’ny miaramila, zandary ary ny pôlisy. « Nandritra izany no nitondrana fanazavana mahakasika ity raharaha ity. Tsy misoratra velively amin’ireto olona mitonona ho tompony ireto ny omby izay nogiazana ary tsy misoratra velively ao anatin’ilay bokin’omby izay nogiazana nanaovana fanadihadiana ihany koa ireo omby folo izay tratra ireo ; bokin’omby izay nasehon’ny sefo distrika nandritra ny valan-dresaka nataony entina handisoana ny filazana fa efa nariana na nodorana mba tsy hisian’ny porofo ». Voalaza ihany koa moa, fa nisy vola an-tapitrisany izay natolotr’ireto fianakaviana ireto ho an’ny pôlisy ho fandaminana ny raharaha izay noraisina avy hatrany ho toy ny karazana kolikoly ary nogiazana ihany koa io vola io. Na izany aza, « ny Ministry ny Filaminam-bahoaka, dia nanapa-kevitra sy efa nandefa Polisy mpanao fanadihadiana mba hamantatra ifotony ny zava-misy marina any an-toerana ».
m.L