- Publicité -
mercredi, juin 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa - RN7 : Tovovavy kely iray handeha hianatra, maty tsy...

Ambohimahasoa – RN7 : Tovovavy kely iray handeha hianatra, maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara 4×4

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tsy manan-tsiny indray tamin’ny RN7, tao an-tampon-tanànan’ Ambohimahasoa, omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny iray ora sy 40 minitra, ka tovovavy kely iray handeha hianatra no maty tsy tra-drano voadonan’ny fiara Starex, teo amin’ny « Epp Annexe » Antaninarenina ampitan’ny Lapan’ny tanàna. Araka ny tati-baovao voaray, nandeha mafy nirimorimo ity fiara 4×4 izay nisongona « Sprinter » teo alohany, ka nandona an’ilay zaza. Noho ny hamafin’ny dona nahazo an’ity tovovavikely mpianatra, dia maty teo ho eo izy ary vaky ny lohany, tapaka ny feny havanana, ka nandriaka eraky ny arabe ny rà. Pempo kosa ny lohan’ny fiara nandona.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici