Nitrangana fanafihan-dahalo mpanakan-dalana indray tamin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly naraina tokony tany amin’ny iray ora latsaka kely tany ho any, tao Ialatsara, 10 km tsy hiditra an’ Ambohimahasoa. Fiara taksiborosy sprinter iray handeha any Ihosy no voatafika, ka lasan’ny andian-dahalo tanora nitam-piadiana tamin’izany ny volan’ny mpandeha rehetra sy ny any mpamily. Mbola noraofin’ireto malaso boay kely tsy latsaky ny 20 isa nitondra basy, famaky, lefona ary sabatra, ireto ihany koa ny finday, ireo rojo volamena sy firavaka volafotsin’ ny mpandeha hitany, ary voaroba hatramin’ny ankizy kely. Saika hiakatra haka ny entana tena ambony « porte bagage » ny sasany tamin’ireo dahalo no nisy jirona fiara nitsipelatra nipoitra tampoka tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny fanafihana, ka avy hatrany dia nitsoaka tany anaty ala niaraka tamin’ny remby efa azony ireo malaso. Raha ny fanazavana azo, dia nosakanan’ireto dahalo tamin’ny vatobe ny lalana, ka tsy afa-nihemotra tsy nandroso intsony ity taksiborosy voatafika, izay latsaka tao afovoana « caravane », ary raha vao tafajanona ny fiara dia voatora-bato ka vaky ny fitaratra. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo sy fanafihan-jiolahy mitam-piadiana misesisesy amin’ ny RN7 iny efa am-bolana maro, dia mitaintain-dava ireo mpandeha, mpamily ary ny mpampiasa ny lalana. Mampiaka-peo ny rehetra ankehitriny ary milaza mahitsy, fa hatreto dia mbola resabe ambony latabatra fotsiny no betsaka, tsy hita mivaingana ny « actions » fandraisan’andraikitra matotra ataon’ny fanjakana.
Eric Manitrisa