
Hamonjy toeram-pianarana no nivoahana ny trano, tsy hita hatramin’ny omaly ny zaza iray rehefa natelin’ny rano. Tany Talata-Ampano, tanàna iray ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa, no nitrangan’izany toariana kelin’ny ny oram-be izay nilatsaka ny talata lasa teo. Niaraka tamin’ny mamany toa ny mahazatra izy isaky ny hamonjy sekoly. Raha nandalo teo amin’ny tetezan’Andohanatara izy mianaka no nianjera ilay zaza ka lasan’ny rano. Raha araka ny fanamarihana avy any an-toerana dia tetezana mbola andalam-panamboarana izy io. Nanomboka teo dia tsy hita ilay zaza. Nikoropaka ny reniny niezaka nanavotra nefa fotoana fohy dia natelin’ny rano ilay zaza ka tsy hita popoka. Nampandrenesina ny tompon’andraikitry ny tanàna izay niantso ny manam-pahefana avy eo. Samy nanao izay ho afany ny rehetra tamin’ny fikarohana saingy mbola tsy hita ilay zaza hatramin’ny omaly antoandro. Sahirana ny mpianatra rehefa vanim-potoanan’ny fahavaratra. Miady aman’aina mihitsy aza mba hamonjena ny toeram-pianarana. Ny tranga toa izao dia endrika iray tokony handinihina ny hanombohana sy ny hamaranana ny taom-pianarana. Tsy voatery atao mitovy amin’ny any ivelany hatrany satria tsy mitovy ny fotoanan’ny fahavaratra sy ririnina ary ny main-tany any sy eto amintsika. Tsy mitovy ihany koa ny zavatra iainan’ny ankizy. Fotoanan’ny fandinihina hitondra fanovàna mba ho fijerena ny tombontsoa ambonin’ny ankizu ny fisian’ny olana toa izao.
D.R