- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimahazo Manandriana : Tovovavy maty nisy nanolana teo am-pantsakana

Ambohimahazo Manandriana : Tovovavy maty nisy nanolana teo am-pantsakana

Vatana mangatsiaka sy misarita-bolo no novantanin’ny fianakavian’ilay vehivavy kely vao 18 taona monja tao amin’ny distrikan’i Manandriana ny 13 Aprily lasa teo.

Vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, nirahina ity tovovavy kely ity handeha hantsaka any an-dohasa. Raharaha efa mahazatra sy fanaony io alohan’ny handehanany hianatra, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao. Naharitra ora roa anefa tsy mbola niverina ilay zaza. Nanapa-kevitra ny ray aman-dreniny hijery azy teny am-pantsakana. Akory ny hatarainy fa zaza mitsirara amin’ny tany sy misarita-bolo no tazany ary nisy taratasy teo ambonin’ny akanjony milaza toy izao “ Namono tena aho dada sy Neny fa tsy zakako ny fahasahiranana”. Taitra ny ray amandreniny raha nahita izany fa tsy dia sahirana manao ahoana akory ny fiainany. Ary zaza tsy hahavita hamono tena ny toetran-janany. Taorian’ny fijeren’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana ny razana, hita fa misy dian-tady ny tendany, izany hoe nokendaina ilay zaza, ary voamarina ihany koa fa nisy nanolana. Fantatra ihany koa fa tsy sora-tanany ilay soratra tamin’ny taratasy fa soratr’olon-kafa. Taorina’ny fanadihadiana, tovolahy iray efa mpanadala azy no voatery notazomin’ny mpitandro filaminana vonjimaika. Anisan’ny porofo anenjehana azy mantsy, raha ny vaovao voaray hatrany, dia mitovy soratra amin’ity lehilahy ity ilay soratra hita teo amin’ny razana. Marihina fa mpiray kilasy aminy ao amin’ny kilasy famaranana ao amin’ny lisea Ambohimahazo ity tovolahy kely ity.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser