- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy Ambohimangakely : Ny mpiambina ny orinasa ihany no namaky ny “coffre”

Ambohimahitsy Ambohimangakely : Ny mpiambina ny orinasa ihany no namaky ny “coffre”

Vola manodidina ny 40 tapitrisa Ariary no very tao amin’ity orinasa iray tetsy Ambohimahitsy Ambohimangakely, ny herinandro lasa teo. Vaky ny coffre, potika ny “camera de surveillance”… Karaman’ny mpiasa io very io raha ny fantatra. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely, nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana. Tsy nandeha lavitra teo fa ny mpiambina an’ity orinasa ity niasa tamin’io fotoana io avy hatrany no nipetrahn’ny ahiahy rehetra. Raha ny voalazan’ireo mpanao fanadihadiana mantsy dia tsy misy afa-tsy izy ireo no mahafantatra ny fisian’ireo camera tao an-toerana. Potika daholo tsy nahazo na inona na inona anefa ireo fitaovana ireo tamin’io fotoana io.  Ankoatr’izay nanamafy ny ahiahy rahateo, izay mametraka fa tsy maintsy ny iray tamin’ireo mpiambina no nahavanon-doza ny fihetsik’ireo alika mpitsongo-dia izay nalaina ny ampitson’ny nisian’ny vaky trano. Nitokona manoloana ny tranony rehefa nanaraka ny dian’ireo mpamaky trano. Nahatrarana vola 180.300 Ar tao an-tranony, hoy ny vaovao. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nentina natao famotorana. Fantatra tamin’izay fa tena izy. Izy izay mpiambina mahatoky tao amin’ilay orinasa sy ny namany roa lahy hafa no nanao ny “operation”. Tamin’ny fotoana nisamborana azy rahateo moa dia mbola nahitana vola iray tapitrisa ariary mahery tany aminy. Ny naman’izy ireo fahatelo no tafatsoaka niaraka tamin’ny ambim-bola rehetra saingy, voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Gsis teny Ivato. Efa naverina tamin’ny tompony moa ny vola azo ary efa natolotra ny Fampanoavana sy nadoboka am-ponja ireto mpangalatra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici