- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Fatim-behivavy niboridana, hita tao anaty lobolobo

Ambohimahitsy : Fatim-behivavy niboridana, hita tao anaty lobolobo

Tsy nisy akanjo sy takonkenatra intsony ny tapany ambany. Nisy ratra ny vatany ary raha ny fijerin’ny olona azy dia naolana io vehivavy io talohan’ny namonoana azy. Teny Ambohimahitsy, tao anatin’ny lobolobo kely no hita ilay razana.  Olona sendra nandalo vao maraina teo amin’ilay toerana no nahatsikaritra an’izany, ka niantso ny manodididna. Nivarahontsana ny iray tanàna raha nahita ity vehivavy, tokony ho telopolo taona eo, nitsidraka tamin’ny tany. Ity tranga iray ity dia manamafy hatrany ny zava-nisy tato ho ato : mamono mahafaty ankehitriny ny mpanendaka. Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay, dia nisy hatrany ny namoy ny ainy noho ny hetraketraky ny jiolahy. Isan’ny nitana ny sain’ny maro ilay heloka bevava; izay namoizana ny ain’ilay mpanao sary itatra an-gazety tetsy Andravoahangy Ambony. Izany no natao dia mba nahafahana nanendaka ny solosaina entin-tànana iray izay teny aminy. Ontsa ny maro no sady nihorohoro tanteraka, satria sady mandry andriran’antsy izany amin’ny alina no mitaintaina amin’ny antoandro. Asa, inona ny fandrosoana azo eritreretina ao anatin’izany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici