Araka ny fantatra, nisy olona nahazo tany hanorenana trano. Samy revo ny rehetra. Sendra ny tsy nampoizina anefa
Omaly antoandro, gaga sady taitra ny olona maro teo am-piadiana fototra hanorenana trano, teny Ambohimahitsy tsy lavitra ny Sary Masina. Rehefa natsatoka elaela mantsy ny angady dia nisy zavatra nanohitra. Nojerena ka fanitso no tao. Nalana io zavatra io. Nofongarina ny tao ambany ka razana no hita tao. Razana roa be izao. Ny iray tsy misy lamba ary ny faharoa kosa mbola mifatotra tsara. Razana efa maina avokoa izy ireo. Tonga dia natsahatra ny asa saika hatao. Nipetraka ny fanontaniana. Nisy afaka nitondra valiny anefa ka nanazava fa tamin’io toerana io tany aloha tany dia nisy trano nametrahana beantitra. Ankeviny nisy maty tamin’izany ary dia tsy nandeha lavitra fa teo ihany no nalevina izay maty.
Ny loharanom-baovao no nahalalana fa misy fikambanana mpiaro ny zon’olombelona nanome an’io tany io ho an’ny olona sahirana. Nilazana izy ireo fa afaka manorina trano eo. Maromaro ry zareo tamin’izany. Dia samy revo namaritra sy nihady ny anjarany. Misy mihitsy aza ny efa vonona hanorina trano avy hatrany. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nahitana ireo razana ireo. Tetsy andaniny, nisy olona nanakana ihany izany fanorenana izany ary niteny fa tokony tsy mbola azo hanaovana trano eo. Tsy nahasakana ny rehetra izay nahazo ampahany anefa izany. Taorian’ny nahitana ireo razana roa ireo, nitsahatra avy hatrany ny asa rehetra.
r.s.