- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Jiolahy dimy nanafika, lasa ny vola sy ny fitaovana maro

Ambohimahitsy : Jiolahy dimy nanafika, lasa ny vola sy ny fitaovana maro

Omaly vao mangiran-dratsy, iraika ambin’ ny folo febroary teo, tokony ho tamin’ ny roa ora maraina, tonga nandroba tao amina trano iray teny Ambohimahitsy ny jiolahy miisa dimy. Fantatra fa tsy mbola vita io trano io nefa efa mipetaka ao ny tompony.

Ny loharanom-baovao no nahalalana fa antsy sy sabatra no nentin’ ireto mpanafika tamin’ izany. Avy hatrany dia nibosesika niditra ireo olon-dratsy. Tsy nisy nahahetsika ny tao an-trano noho ny tahotra. Lasan’ ireto mpangalatra tamin’ izany ny  entana, toy ny fahitalavitra fisaka, ny solosaina, ny finday ary ny lelavola mitentina 40.000 Ar. Raha vao azony izany dia lasa nandositra ireo mpandroba.

Efa eny am-pelatanan’ ny zandarimaria eny an-toerana moa ny raharaha hikarohana ireo izay nahavanon-doza  tamin´izany.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser