- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Lehilahy maty nodonin’ny fiara, nitsoaka ilay nahavanon-doza

Ambohimahitsy : Lehilahy maty nodonin’ny fiara, nitsoaka ilay nahavanon-doza

Tamin’ny 6ora sy sasany maraina no hitan’ny olona nivalampatra teny amin’ny sisin’arabe, rangahy iray mihosin-drà, teny amin’ny faritra Ambohimahitsy, Kaominina Ambohimangakely ny asabotsy lasa teo. Raha ny fizahana nataon’ireo mpitsabo niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana, dia voadona mafy teo amin’ny lohany ka nitarika ny fahafatesany. Mbola nijininika mantsy ny rà  tamin’ny vavany sy ny sofiny tamin’ireo tompon’andraikitra tonga teny. Tsy fantatra mazava hatreto aloha izay tena zava-niseho, fa raha ny dona mafy nahazo ny lohan’ity lehilahy, manodidina ny 50 taona mahery ity dia ankevitry ny nodomina fiara ity rangahy ity. Tsy tazana teny an-toerana kosa anefa izay fiara nandona azy. Manamafy izany ihany koa ny filazan’ny olona teny an-toerana, satria raha ny fitantaran’izy ireo hatrany dia nahenoana feona kodiarana nitrisina tamin’ny tany, ary mafimafy ihany teo akaikin’ireo toerana nahitana an’ity rangahy ity, ny asabotsy vao maraim-be. Ka asa na ilay fiara nandona an’io rangahy io ilay izy na zavatra hafa, araka ny filazan’ireo mponina teny an-toerana hatrany. Fa raha ny fantatra hatrany dia tsy nisy nahita ny fisehoan’ny loza na ilay fiara nahavanon-doza. Mbola hita tany amin’ity olona ity ny vola fito arivo ariary, niaraka tamin’ny findainy. Tamin’ny alàlan’ity farany no nahafahana niantso ireo havany ary nomena an’ireto farany avy hatrany ny razana. Fantatra tamin’izany fa, miasa eny Avaradoha eny ity rangahy ity. Ary mety an-dàlana handeha hamonjy ny asany izy no sendran’ity loza ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser