- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Lehilahy voadonan’ny kamiao, tapaka ny tongony roa

Ambohimahitsy : Lehilahy voadonan’ny kamiao, tapaka ny tongony roa

Zava-doza nahatsiravina indray no nitranga teny Ambohimahitsy omaly maraina. Lehilahy iray 31 taona no voadonan’ny kamiao ka tapa-tongotra tanteraka. Manodidina ny tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any, teo amin’ny fidinana teo amin’ny toerana atao hoe « Ampasanirainivoalavo » Ambohimahitsy, PK 7+600, no nitrangan’ny loza. Raha ny fanazavana voarainay avy amin’ny mpitandro ny filaminana tonga teny an-toerana nijery akaiky sy nanadihady ny tena zava-nitranga, dia fantatra fa kamiao kely mpitondra biriky marika « Toyota » avy any amin’ny By Pass hiakatra an’Antananarivo no tapaka hisatra ka nitarika ny loza. Niezaka namily ny fiara tany amin’ny sisin-dàlana havanana ihany ilay mpamily mba hampijanona azy. Nakasony tamin’ny « talus » izay sendra azy izany nony avy eo saingy tsy nety nijanona mihitsy ity farany.  Rehefa tonga teo amin’ny PK 7 ilay kamiao dia navilin’ilay mpamily tany amin’ireo vato milahadahatra amoron-dàlana ihany izany. Tampoka anefa, nisy lehilahy roa nipoitra teo. Tsy tazan’ilay mpamily mihitsy ny fisian’ireo olona ireo nijoro teo amin’io toerana io hany ka nahavoadona azy ireo ilay kamiao. Nivadika tanteraka ity farany ary izay vao tena tafajanona. Ireo roa lahy voadona kosa dia naratra. Ny iray voakasoka kely fotsiny ka tsy nahitana ratra firy teny aminy. Ilay faharoa kosa dia tapa-tongotra tanteraka. Nikiraviravy mihitsy ny tongony roa tamin’izany vokatry ny hamafin’ny dona nahazo azy. Avy hatrany dia nentin’ny olona teny amin’ny « centre Akamasoa » an’i Mompera Pedro ireo naratra ka ity farany no nitatitra azy ireo teny amin’ny hopitaly HJRA. Tetsy ankilany, nanararaotra ny fahasahiranan’ny olona nitatitra ireo naratra ilay mpamily sy ny olona roa hafa izay tao anatin’ilay kamiao ka nirifatra nitsoaka. Hatreto, mbola eo am-pikarohana an’ireto nahavanon-doza ireto ny zandary ao amin’ny borigady Soamanandrariny izay misahana feno ity raharaha nandratrana olona ity. Tsy nisy taratasy na zavatra mety nahafantarana an’izy ireo rahateo tao anatin’ilay kamiao rehefa nosavaina. Andrasana araka izany ny mety ho vokatry ny fikarohana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici