- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Mpamaky vato iray maty nianjera

Ambohimahitsy : Mpamaky vato iray maty nianjera

Nisehoana loza nahafaty olona teny Ambohimahitsy ny alakamisy teo. Lehilahy iray mpamaky vato no fantatra fa namoy ny ainy, na dia efa nentina nialana nenina tany amin’ny hopitaly aza. Somary kisilasila ihany ny toerana niasany. Nitsangana nandeha izy, nefa nisy ny fanapoahana vato tamin’izay fotoana izay. Nisy nilaza taminy hiala haingana. Ny vaovao no nahafantarana fa somary nihemotra ilay lehilahy. Tafintohina anefa izy tamin’izany ary nianjera. Vokany, tapaka ny tànany ary nisy ratra teo amin’ny faritry ny lohany. Na izany aza anefa dia mbola nahatsiaro tena tsara tokoa izy. Tokony ho tamin’ny 10 ora no niseho ny loza.Nentina haingana nanatona mpitsabo nefa dia izao namoy ny ainy izao tamin’ny 5 ora hariva.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser