Mpivarotra rongony roa lahy indray izao no fantatra fa nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin’ny zavamahadomelina avy ao Anosy. Vaovao avy amin’olon-tsotra no nahalalan’izy ireo fa misy mpivarotra rongony eny Ambohimahitsy. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana tamin’ny faha-24 jolay ka tamin’izany no nahatratrarana roalahy teo am-panaovana ny asany tao an-tranony. Ny iray antsoina hoe Solo, 40 taona, nahitana valo fonosana sy rarany 500 gr. Ny faharoa dia Eric, 29 taona. Nisy fonosana maro koa tratra tany aminy. Tamin’ny famotorana natao azy ireo dia samy niaiky ry zalahy fa manao an’io asa io. Ny iray efa am-bolana ary izany Masely eny Andraisora izany no mpamatsy azy, ka 35.000Ar no hividianany ny iray sachet ka hamidiny 500Ar ny fonosana iray. Eric koa niteny fa i Rapa avy eny amin’ny IVO no mpamatsy azy, 15.000Ar ny hividianany ny sachet kely ary tsinjarainy ka hamidiny 500Ar ny fonosana iray.
Omaly no natolotra ny fitsarana izy roalahy ireo.
r.s.