- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Nanjavona teo amoron-dàlana ny fiara vao novidina

Ambohimahitsy : Nanjavona teo amoron-dàlana ny fiara vao novidina

Fiara vao tsy ela akory no novidina dia efa ny jiolahy sahady no nahazo azy. Teny Ambohimahitsy, ny alin’ny alahady teo no nanjavona teo amoron-dàlana nipetrahany ilay fiara mitondra ny marika Nissan. Tsy manana garazy ny tompon-trano hany ka nanao toa ny fanaovan’ny olona maro dia ny mametraka ny fiara eny an-tsisin-dàlana izany. Vao nifoha maraina, akory ny hagagana raha tsy teo amin’ny toerany intsony ny fiara. Nampandrenesina ny zandary ary nanomboka teo dia efa nandeha ny fikarohana. Omaly maraina no fantatra fa hita nipetraka fotsiny tetsy amin’ny manodidina an’Ilafy ilay fiara nangalarina. Vaky ny “jante” iray ary heverina fa izay no nandrisika ireo olon-dratsy ny nanajanona ny fiara teo amoron-dàlana fotsiny. Somary nahatalanjona ihany ity karazana halatra ity satria matetika dia fiara fitaterana no tena ataon’ireo olon-dratsy lasibatra. Tafaverina amin’ny tompony ny fiara, izay angamba no zava-dehibe. Raha ny fanadihadiana mantsy no andrasana, mbola ho sarotra ny hijery ny dian-tànana sy izay mety ho marika mifanandrify amin’ny fahafantarana ireo jiolahy. Mety ho hita ihany ny diany, saingy ahoana no hahafantarana hoe an’iza izany raha tsy misy n fitaovana mifanandrify amin’izany?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser