- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Simba indray ny vy be an’ny rocade

Ambohimahitsy : Simba indray ny vy be an’ny rocade

Fiara lehibe sy avo ary mitatitra fitaovana momba ny asa vaventy no nandalo. Noteren’ny mpamily nidirana ny vy arofanina tsy handalovan’ny fiara avo. Potika izany dia niala fotsiny toa ny tsy nisy na inona na inona ny fiara. Soa fa nisy ny nahazo sary ary nanaparitaka an’izany. Andrasana arak izany ny mety ho tohin’ity fanimbàna fananana iombonana ity ankoatra  ny ny tsy fanarahan-dalànàn’ny fifamoivoizana, izay mametra haavon’ny fiara afaka mandalo eo an-toerana. Tezitra ny olona maro, satria mba hisan’ny hany fotodrafitrasa tsara eto an-drenivohitra ny Rocade. Ny tsikaritra ankehitriny dia efa misy andrin-jiro mianjera rehefa nofaohin’ny mpandeha mafy, misy vy mangalatra, ny jiro mihena am-pitoerana ary izao indray koa dia arofanina mitady hianjera. Raha tsy arahi-maso matetika ny Rocade dia hirodana tsy ho ela koa ny fotodrafitrasa.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici