- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimahitsy : Valolahy mirongo basy nanafika, olona iray maty voatifitra

Ambohimahitsy : Valolahy mirongo basy nanafika, olona iray maty voatifitra

Toy izao ny fitaratr’ilay fiara nivoahan’ny bala nitifiran’ireo jiolahy ilay mpiambina.
Toy izao ny fitaratr’ilay fiara nivoahan’ny bala nitifiran’ireo jiolahy ilay mpiambina.

Naharitra teo amin’ny 25 minitra teo ny fanafihana.

Nitrangana fanafihana nahafatesana olona indray teny Ambohimahitsy afakomaly alina. Tokantrano iray no nidiran’ny valo lahy mirongo basy an-keriny ka olona iray no maty voatifitra, vola telo hetsy ariary sy solosaina fitondra an-tànana kosa no lasan’izy ireo.

Tokony ho tany amin’ny misasakalina tany  no tonga tao amin’ity tokantrano ity ireto olon-dratsy ireto. Nirongo basy “kalachnikov” ny telo tamin’izy ireo ary ny roa kosa manao saron-tava. Nisy mpiambina natory tao anaty fiara ka raha vao nahare ireo mpanafika izy dia nifoha no sady nandrehitra jiro. Tifitra avy hatrany no navalin’ireo jiolahy azy, ka voa teo amin’ny feny, somary manakaiky ny valahany ity tovolahy 30 taona ity ka naratra mafy. Noho ny fahaverezan-dra be loatra anefa dia voalaza fa namoy ny ainy ity farany.

Aorian’izay dia niditra an-keriny tao an-trano izy valolahy ary nandrahona ny tompon-trano tamin’ny basy. Manoloana ny zava-nitranga dia tsy nahasahy nanohitra ny tompon-trano fa namela ireo mpanafika hanao izay danin’ny kibony ka vola 3 hetsy ariary, finday, solosaina ary firavaka volamena no nalain’ireo tsy mataho-tody. Tsy mitahiry vola an-trano moa ireto fianakaviana ireto ka tsy nahazoan’ireo jiolahy ilay volabe notadiaviny. Naharitra teo amin’ny 25 minitra teo ny fanafihana ka taorian’izay dia lasa nandositra ireo jiolahy. Nampandrenesina haingana ny mpitandro filaminana ary tonga ara-potoana teny an-toerana, saingy efa lasa lavitra ireo jiolahy ka tsy tratra. Ilay tovolahy voatifitra kosa nezahana novonjena nentina teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana  ny ainy. Ny zandary avy ao amin’ny brigade Ambohimangakely  no mandray an-tànana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Izao fanafihana izao dia mbola manaporofo fa mbola betsaka ny fitaovam-piadiana miparitaka any am-pelatànan’ny jiolahy ka isan’ny mampirongatra ny fanafihana eto amintsika.

A.R.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser