- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimailala - Tovovavy maty : Steevah, 17 taona, mpianatra lalàna

Ambohimailala – Tovovavy maty : Steevah, 17 taona, mpianatra lalàna

Efa fantatra avokoa amin’izao fotoana ny momba ireo razana telo izay hita tetsy Ambohimailala. Steevah Razafindraibe ny anaran’ilay tovovavy novonoina dia nodorana. raha araka ny fantatra dia mpianatra lalàna amin’ireny « formation à distance » ireny ny tenany. Tena mbola tao anatin’ny hatanorana tokony no niharan’ny hetraketraka sy habibiana tsy roa aman-tany. Vao 17 taona mantsy izy io maty nisy namono io. Raha ny momba ireo roa lahy hafa indray dia fantatra fa rahampitso ny iray, izay fantatra amin’ny fanampin’anarana hoe Andry, no halevina. Nanazava ny loharanom-baovao teo anivon’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana fa efa misy olona nohenoina momba ity raharaha ity. Saingy mbola tsy misy aloha ny vesatra satria fitadiavana porofo sy fanadihadiana miainga avy amin’ireo olona heverina fa akaiky ireo telo mianadahy aloha no tena ifotoran’ny pôlisy avy etsy amin’ny Brigade Criminelle. Raha hiverenana kely dia tetsy amin’ny marais Masay ary niaraka nisotrosotro no nisy nahita farany izy ireo. Efa ny asabotsy kosa i Njara, ilay pôlisy (agent de 2e classe) no tsy nody tao an-tranony ka nanomboka nampitaintaina ny fianakaviany. Nampandrenesina ny tany am-piasany ary koa nanao filazàna ny tsy fahatongavany niasa taorian’izay. Teo dia efa nanomboka nandeha ny fikarohana azy. Tsy ela dia hita saingy efa vatana mangatsiaka, amin’izay indray novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, no  hita tetsy Ambohimailala. Samy noezahin’ireo mpamono natao tsy ho fantatra intsony ny tarehin’izy telo mianadahy novonoina. Nodorana na koa norarahana asidra mba tsy ho hita soritra ilay heloka bevava. Tsy nahomby anefa izany satria ny hariva ihany dia efa fantatra ny momba ireo razana. Mbola mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha izay mitàna ny sain’ny maro ity. Miandrandra ny manam-pahaizana momba ny fanadihadiana heloka bevava ny rehetra…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser