- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimailala : Voalevina izy telo mianadahy, hanomboka ny fanadihadiana

Ambohimailala : Voalevina izy telo mianadahy, hanomboka ny fanadihadiana

Andro vitsy taorian’ny nahitana ireo razana telo teny Ambohimailala, dia hanomboka amin’izay ny tena fanadihadiana ifotony hataon’ny polisy. Mbola nisy mantsy aloha, mialoha ny nanolorana ny havany ny razana, ny fizahana ifotony natao tamin’izy ireo mba hahafantarana ny fomba mety ho namonoana azy, na koa hitadiavana hirika hahafantarana izay mety ho namono. Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nalevina izy telo mianadahy, ka hiroso amin’ny fanadihadiana lalina amin’izay ny mpanao famotorana. Mbola sahirana mantsy ny fianakaviana tamin’ny fikarakarana ny razana, ka izao vao manomboka manam-potoana sy tony tsara, raha araka ny fanazavana azo. Ankoatra izay, dia mbola andrasana ihany koa ny “rapport d’autopsie” avy any amin’ny dokotera  nanao izany. Ankoatra ny fihainoana ireo fianakaviana sy izay mety ho vavolombelona mantsy, ary indrindra ny olona mety ho ahiahiana dia ny valin’io “autopsie” natao io no isan’ny tena singa lehibe hitondrana ny famotorana.

Raha tsiahivina dia teny Ambohimailala – Ambatobe no nahitana ny fatin’izy telo mianadahy ireto. Efa simba be ny razana ary toa nodorana tamin’ny asidra izany. Ny fahatongavan’ny polisy teny an-toerana no nahafantarana fa mpitandro filaminana miasa ao amin’ny sampana informatika ao amin’ny polisim-pirenena ny iray amin’izy ireo, ary tovovavy 17 taona izay mbola mpianatra ny iray. Voalaza ihany koa fa nisy nahatazana naira-nisotrosotro teny amin’ny làlan’i “marais Masay” ihany koa izy ireo, mialoha ny tsy nahitana azy intsony. Efatra andro taty aoriana anefa dia ireo hita faty teny Ambohimailala ireo. Hatramin’izao aloha dia tsy mbola fantatra mazava ny antony namonoana azy telo mianadahy ireto, ary tsy mbola nisy olona   ahiahiana ho nahavanona ny loza notazonin’ny polisy. Amin’ity herinandro ity vao hanomboka ny fakana am-bavany ka inoana fa ahitam-bokany izany, ary ho fantatra tsy ho ela ny tena tompon’antoka amin’ity vonoan’olona mahatsiravina ity.

A.R.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser