Mihamafy ny ady ataon’ny zandary amin’ny mpamatsy rongony sy ny mpidoroka izany eny Ambohimalaza. « Fito mianadahy no voasambotra nanomboka ny alin’ny asabotsy lasa teo noho ny fitazonana, fivarotana, ary fidorohana rongony », hoy ny zandary misahana ny borigadin’Ambohimalaza. Notohizina ny fanadihadiaba ary tonga hatreny Antanifotsy, fokontany Ambohipeno, ary koa Ambohimanambola. Teny no sarona ireo mpamatsy. « Teny an-tanim-bomanga, tao anatina bidon mavo, ny fonosan-drongony miisa 78, ka ny 62 fonosana kely ilay amidy amin’ny vidiny 500 Ar ny iray ary ny 16 fonosana lehibe 2.000 Ar ny iray. Ankoatra izay dia tao anaty lava-pako ny potiny sy voan-drongony nofonosina sachet. Tao anaty lavaka ambodin’ny trano ny tavoahangy fampirimana ny vola vidin-drongony », hoy ny fanazavan’ny zandary hatrany. Mitotaly iray kilao sy 270 grama ny totalin’ny rongony tratran’ny zandary nandritra ny fanadihadiana ary vola mitentina 39.500 Ar kosa no tao anatin’ny tavoahangy fanafenana izany.
D.R