Nandriaka indray ny rà, tamin’iny làlam-pirenena faharoa iny, ny sabotsy maraina lasa teo. Ankizilahy kely vao 14 taona monja no nindaosin’ny fahafatesana rehefa voahitsaky ny fiara teny an-dalana, tao amin’ny fokontany Andranosoa, ao amin’ny kaominina Ambohimalaza Miray. Araka ny tatitry ny zandary tonga taty aminay, dia teo am-panaovana fanatanjahan-tena vao maraina ity ankizy ity, no nofaohin’ny fiara iray avy any Toamasina, hitodi-doha aty Andrenivohitra. Tsy vitan’ny hoe voafaoka sy voadona anefa, fa mbola voahitsaka ihany koa. Maty tsy tra-drano araka izany ilay ankizy. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia nitsoaka nandositra nony avy teo ilay fiara, fa tsy mba nijanona akory. Tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany ho any no nisehoan’ny loza. Efa ho adiny iray taty aoriana anefa vao nisy nampandre ireo zandary teny an-toerana ary nandefa haingana ireo mpanao fisafoana hijery akaiky ny zava-nisy teny amin’ny toerana voalaza, hanao ny fitsirihana sy ny famotorana. Nony tonga teny moa ireo zandary, dia efa ilay vatana mangatsiakan’ity ankizy ity sisa no teo. Raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo tamin’ireo nanatri-maso, dia re fa « camion semi-remorque » no nahavanona ny loza ka rehefa naely tamin’ny toby manodidina rehetra ny vaovao, dia samy nanao ny fikarohana io fiara io izy ireo, saingy tsy mbola hita aloha izy io hatreto ».
m.L