- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : « Gardien » mpivarotra rongony

Ambohimalaza : « Gardien » mpivarotra rongony

Ilay mpiambiny, tratra nibizina rongony.

Efa ela no tonga teny am-poto-tsofin’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny fisiana olona mpanaparitaka sy ny mpivarotra rongony teny amin’iny faritra Ambohimalaza iny. Rehefa nisy fanadihadiana sy ny fidinan’izy ireo teny an-toerana dia niafara tamin’ny fisamborana lehilahy iray izany, ny talata lasa teo. Lehilahy, izay fantatra fa mpiambina tanana iray teny an-toerana. Ankoatry ny asa fiambenanany io tanàna io dia hiarahan’ireo izay efa mpanjifany mahalala ihany koa ny asa iray hafa : mpivarotra rongony. Rehefa nisy ny fanaraha-maso ny tranony, nataon’ireo mpitandro filaminana dia voamarina tokoa izay zavatra izay. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavàna ny tranony ireo pôlisy ary tamin’izany no nahitàn’izy ireo fonosan-drongony, nahatratra hatrany amin’ny 21 isa tany ho any. Nosamborina avy hatrany teo no eo ihany ingahirainy, ary nentina niakatra taty an-drenivohitra, navantana avy hatrany tetsy amin’ny biraon’ny « stup » tetsy Anosy, ho amin’ny famotorana azy. « Tamin’ny fanadihadiana natao azy tao no nahafantarana fa 43 taona ity lehilahy voasambotra ity ary mpiambina tanàna amin’ny toerana misy bar, izay misy ny mpampiasa azy » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Notanana natao andrimaso tao amin’ny birao ihany moa ity farany ary natolotra ny Fampanoavana omaly.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici