- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Halatra kisoa, nisy mpivaro-kena nosamborina

Ambohimalaza : Halatra kisoa, nisy mpivaro-kena nosamborina

Olona 11 no indray nosamborina. Tsy namelàn’ny zandary etsy Ambohimalaza raha tsy hita avokoa ny mpikambana ao anatin’ilay tambajotra. Ny tranga dia niainga tamin’ny famakiana vala iray tao an-toerana. Kisoa roa no nalain’ireo jiolahy saingy efa novonoina mialoha izany. Fiara marika Renault express iray miaraka amin’ny Renault 4 (4L) no efa tonga teo an-toerana ary natao fitaovana nitaterana ireo kisoa halatra. “Saika entina hamidy eny amin’ny tsenan’Andravoahangy ireo hena ary ireo mpangalatra rahateo dia teny avokoa” raha araka ny fanazavan’ny zandary. Niainga tamin’ny fisamborana ny mpiambina ilay vala ny fanadihadiana. Fantatra teo fa izy no nanimba ny jiro nanazava teo an-tokontany, mba hanamoràna ny fanatontosana ny halatra.  Nariany tany amin’ny W.C ny akanjony rehefa vita ny famonoana ireo kisoa. Taorian’izay dia nisy olona tsara sitrapo nampahalala ny fihetsika hafahafa izay hitany. Nampitaina tamin’ny zandary izany. Rehefa voamarina dia natao ny fisamborana izay niarahan’ny zandary sy ny fokonolona. Nitohy hatrany ny fanadihadiana ary tonga hatramin’ny fisamborana nisesisesy izay tonga 11 ny isan’ny olona notànana, mian-dahy miam-bavy. Rehefa natolotra ny fitsaràna dia nidoboka am-ponja ny fito raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny efatra ambiny.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici