- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Jiolahy raindahiny telo voasambotry ny zandary

Ambohimalaza : Jiolahy raindahiny telo voasambotry ny zandary

 Nisy ny hetsika manokana ataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza, ho entina manamafy ny fandriam-pahalemana, ao amin’ny kaominina Ambohimalaza, Anjeva ary Ambohimanambola. Efa nanomboka ny voalohan’ny herinandro teo izany. Nahitam-bokany sahady moa izany hetsika manokana izany, satria raha ny fantatra dia efa nisy olon-dratsy telo sahady, raindahiny ary nampitondra faisana ny tao amin’ny kaominina Ambohimalaza amin’ny resaka vaki-trano no voasambotr’ireto mpitandro filaminana ireto. Raha ny fanazavana azo dia tratra am-bodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy ireo, ny talata teo. Ny sasany teo am-pamakiana tranon’olona ary ny hafa teo am-pangalarana kisoa tao amin’ny faritra Antaikiady, fokontany Fiadanana sy tao Atsimo Ambohidray, samy ao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Mbola tratra teny amin’ireto farany moa ny zavatra nangalariny, toy ny entana tao an-trano sy ilay zana-kisoa ary vola mitentina iray hetsy ariary. Efa samy naverina tamin’ny tompony avokoa ireto entana halatra ireto. Izy telo lahy kosa, notanana natao andrimaso tao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Ambohimalaza, ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny alarobia teo. Ny roa tamin’izy ireo no nadoboka am-ponja vonjimaika, raha ny vaovao azo hatrany. Marihina fa ao anatin’izay hetsika fametrahana ny fandriam-pahalemana any an-toerana izay dia fantatra fa tsy miasa irery ny zandary fa miara-misalahy amin’izy ireo ny olom-boafidy sy ny fokonolona.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici