Namoa-doza indray ny lalam-pirenena faharoa omaly. Kamiao « semi-remorque » iray no namarana ny diany tany ambany tetezana teo Ambohimalaza, omaly tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any. Vokany, naratra mafy ilay mpamily, simba tanteraka kosa ny lohan’ilay fiarabe. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso, dia efa nikivilavila ihany ny fandehan’ity fiarabe ity, izay nitodi-doha ho any Atsinanana any. Sendra fiolahana, nivaly tetezana teo akaikina toeram-pisakafoana malaza iray teny amin’iny faritra iny ity fiara ity no tra-doza tanteraka. Toa tsy voatanan’ilay mpamily intsony mantsy ny familiana ka avy hatrany, dia namantana tany ambanin’ilay tetezana ilay fiarabe niaraka tamin’ny « remorque » nentiny. Olana ara-teknika teo amin’ny fiara no nahatonga ny loza raha ny angom-baovao azo teny an-toerana. Tsy nety nahitsy intsony mantsy ny kodiarana alohan’ilay fiara ka io izy niafara tany ambany tetezana io. Ireo mponina teny amin’ny manodidina no nitangorona ary namonjy haingana ilay mpamily tao anatin’ity fiarabe. Ity farany moa, raha ny filazan’ny olona hatrany dia toa afaka teo ambony familiana raha vao nitranga ny loza, raha tsy izany dia efa ny ainy no nanefa teo ho no eo. Na izany aza dia naratra mafy ihany ny lehilahy ary voatery nentina nampiakarina haingana tany an-dRenivohitra.
m.L