Vao vita ny taratasy fifampivarotana tao amin’ny kaominina ary naloa tany an-tranon’ny paniera ny vola. Raha nivoaka tao tompon’ny tany ka nandeha kely dia efa nivoaka avy any ny jiolahy nandroba azy mianaka. Mazava hoazy fa efa nisy mpiray tendro tao anatin’ny raharaha. Efa tsara lamina ny fandrobàna ary ny mpaniera no mandefa sms mampiomana ny jiolahy. Lasa tao anatin’ny fotoana fohy ny vola vidin-tany izay mitentina 6 tapitrisa ariary. Nisy nampandre anefa ny zandarin’Ambohimalaza ary minitra vitsy taorian’izay dia nasiana sakana avokoa ny manodidina ny lalam-pirenena faharoa (mifanandrify an’Ambohimalaza) sy izay mety hitsoahana. Nampandrenesina koa ny andrimasom-pokonolona izay nanampy tamin’ny sakana. Nahitam-bokany izany ka ny andron’io ihany dia efa sarona ny jiolahy iray, tao amin’ny fokontany Ambatofotsy. Nifanenjehan’ny zandary sy ny fokonolona ka ny hany heriny sisa dia naparitany ny ampaham-bola mba hampihena ny fanenjehana azy. Saingy tsy nahomby izany ka voasambotra ihany. Avy amin’io no nahitàna ny jiolahy roa ambiny. Nisy fisamborana hatreny Ankadimbahoaka. Nosamborina koa ny ramatoa vadin’ny mpaniera izay ahiana ho mpiray tendro sy mpanafin-kelok’ilay tambajotra. Nidoboka am-ponja ao Antanimora ny jiolahy telo, momba ity raharaha ity. Nandritry ny fisavàna ny tranon’iroe dia nahitàna bala, odigasy ary fitaovana fitsindromana rôrô. Nisy takelaka « lot » an-trano samihafa koa. Manamafy ny maha-omon-dratsy azy ireo avokoa izany. Soa fa tsy namelan’ny zandary hatramin’ny farany ny fanadihadiana ireo mpandoto ny tanànan’Ambohimalaza ireto.
D.R