Nisy nandoro ny alin’ny talata tamin’ny folo ora sy sasany ny fasan’Andriantompokoindrindra eny Ambohimalaza. Anisan’ny toerana manan-tantara ity lasa lavenona ity. Akory ny hatairan’ny fokonolona eny an-toerana raha nahita afo nidedadeda teny amin’ny faritra misy ity fasana ity. Dia-volana ny andro ka tonga dia tazana ny setroka nivoaka avy ao amin’ny fasana. Noho ny maha toerana manan-kasina azy dia sarotra ny famonoana ny afo. Tsy afaka novonoina tamin’ny rano tsy fata-piaviany mantsy ; tany araka izany no nampiasaina tamin’izany. Nifarimbona niezaka namono ny afo ny mponina kanefa dia lasa lavenona avokoa ity vakoka Malagasy ity. Raha araka ny fanazavan’ny mponina eny an-toerana dia fanainina nodorana ny fasana fa tsy tonga tonga ho azy ny afo. Tamin’ny taona 2011 dia efa may ihany koa ireo ala manodidina ity fasana ity ka izao indray dia ny fasana mihitsy no may.
Kanto R. (Stagiaire)