- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Miaramila voaroaka misandoka ho komandà

Ambohimalaza : Miaramila voaroaka misandoka ho komandà

Manana galona, fanamiana miaramila samihafa. Ary dia tena anaovany tokoa ireo amin’ny fiainany andavanandro mba hanamorany ny asa fisolokiana. Marobe no efa tratrany tamin’izany famitahana izany. Sady milaza ho miaramila mantsy izy no misandoka ho mpandraharaha amin’ny vary koa. Manjavona izy avy eo rehefa lasany ny volan’olona. Sady nanana dosie tany amin’ny zandary no koa tany amin’ny polisy ary efa ela no nokarohina vokatry ny fitorian’ny olona azy. Nandamoaka hatrany anefa izany satria tena mahay miafina ilay rangahy. Na izany aza, rehefa « noana » dia mivoaka ny lavaka ihany ny kary. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa, nisy olona nampandre ny zandary mahakasika ny fisian’ny olona izay misandoka ho manamboninahitra ambony ao amin’ny Tafika mitondra ny galona komandà ka entiny hanaovana fisolokiana izany. « Natao avy hatrany ny fanadihadiana ka ny zandary avy ao amin’ny Borigady Ambohimalaza no niandraikitra izany satria monina eny Ambohiboahangy, kaominina Ambohimalaza ilay ahiahiana », raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Rehefa natao ny fanamarinana dia nitombina tokoa fa mpisandoka ilay lehilahy. Nanampy izany ny fahitàna galona komandà an’ny Tafika, ny sariny manao fanamiana ary koa fanamiana hafa fanaovana fanatanjahan-tena an’ny miaramila hatrany. Nandritry ny fakàna am-bavany azy sy ny fanamarinana ny taratasiny dia nipoitra fa tena miaramila tokoa izy taloha saingy voaroaka tamin’ny taona 2017 ary nigadra tao Antsirabe tamin’ny 2019. Mbola nigadra fanindroany indray koa tao amin’ny fonjan’Antanimora taorian’izay. Ankoatra ny fisandohana andraikitra dia mipetraka koa ny fisolokiana amin’ny vesatra ara-pitsaràna izay anenjehana azy. Fanindroany izay tao anatin’ny iray volana no nisy miaramila sandoka izay voasambotry ny zandarin’Ambohimalaza. Sady misandoka asa ireo no misoloky ary dia misy olona voafintana hatrany, indrindra ireo tsy an’asa. Ilay iray izay efa migadra ankehitriny dia milaza ho mahatafiditra ho miaramila ary dia roboka ny tanora izay nangalàny vola fotsiny anefa. Izany rehetra izany dia mbola manaporofo hatrany fa lasa kolontsaina ny kolikoly eto amin’ny firenena. Lasa tsy mahatoky ny tenany intsony ny maro raha tsy misy olona ambadika ary manana andraikitra manampy azy. Dia eo indrindra no mahazo vahana koa ny mpisoloky…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici