Mirongatra ny fangalarana taolam-paty eny amin’ny faritra Ambohimalaza iny, fasana maro no vaky tato ho ato. Toa izay niseho farany teo tao Tsarahasina. Raha ny fanaon’izy ireo dia mampandre mialoha an’ireo « valala fiandry fasana » any an-toerana ireo fianakaviana avy aty Antananarivo mialohan’ny fandevenana. Tamin’izany no nahitan’ireo mpiambina ireo fa nisy namaky ilay fasana. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny Filoham-pokontany. Avy eo ambony no nolavahan’ny mpangalatra. Ary rehefa novohaina ny fasana ny andro fandevenana dia hita fa nisy namoha ny varavarana tao anatiny. Nikorontana ny razana tamin’ireo fandriana samihafa. Ireo razana maina no tena voakitika, raha tsy noketsehana kosa ireo razana lena. Ny karan-doha sy ny taolan-dava no maro tsy hita tamin’izany, raha ny voalazan’ny fianakaviana hatrany. Nahitana « lampe de poche » efa harefesina tao am-pasana, izay ninoana fa an’ireo mpangalatra, nanamporofo fa efa fotoana ela no nahavaky io fasana io, saingy tsy nisy nahita raha tsy tamin’ny andron’ny fandevenana. Ireo fasana mitokatokana, somary lavitry ny tanana no tena lasibatra. Miezaka manao handrimaso, araka izany ny fokonolona na dia tsy ahavita hiambina ireo fasana rehetra aza. Misy koa ny matahotra satria mitondra fitaovana toy ny « barre à mine » ireo mpangalatra ary mety hiaraka maromaro. Tsy vitan’ny hoe faniratsirana ny maty izao zavatra mianjady amin’izy ireo izao, fa ihany koa maha-very fanahy ny velona indrindra ny fianakaviana izay manana ny very. Kanefa ho an’ny Malagasy dia zava-doza izany hoe very faty izany. “Efa lasa any andafy angamba i Bebe Ra…” hoy ny iray tamin’ireo valala fiandry fasana ao Ambohimalaza izay indroa nahita ny maizina satria nandalovan’ny valala koa ny tànana tamin’ny herinandro teo. Manontany tena ireo mponina hoe: “atao inona ny taolam-paty ?”
m.L