- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Mpaka an-keriny roalahy nadoboka eny Tsiafahy

Ambohimalaza : Mpaka an-keriny roalahy nadoboka eny Tsiafahy

Roalahy izay voatonotonona foana amina resaka asan-jiolahy mahery vaika sy fakàna an-keriny no voasambotry ny mpitandro filaminana teny amin’iny faritra Ambohimalaza iny ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny famotorana natao azy ireo dia fantatra fa isan’ny nandray anjara tamin’ny fakàna an-keriny terantany karàna tetsy Ampasampito izy ireo.

Nisesisesy tokoa tao ho ato izay ny resaka fakàna an-keriny. Raha ny teto an-drenivohitra dia ny terantany karàna no isan’ny lasibatra. Teo anatrehan’izany aza dia tsy mipetra-potsiny araka ny voalaza sy ny feo mandeha ireo mpitandro filaminana eo anivon’ny CME, na ny « Cellule Mixte d’Enquête », izay ivondronan’ny zandary sy ny pôlisy fa miezaka hatrany mandray ny andraikiny. Teo anatrehan’izay aza, ary noho fanaovana fanadihadiana lalina tamina lehilahy niisa roa efa voasambotra, noho ity resaka ity hatrany dia nisy ny velam-pandrika natao ho ana roalahy izay voatonona foana amin’ity asan-jiolahy sy fakàna an-keriny ity. « Teny Ambohimalaza izy roalahy ireo no fantatra fa nisy azy ka nosamborina avy hatrany niarahana tamin’ny zandary mpanao « Police de la route » teny an-toerana ka tratra soa aman-tsara »  hoy ny vaovao. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo no niakeny fa mpanao fanafihana sy asan-jiolahy tokoa izy ireo. Mbola teo ihany koa ny porofo isan-karazany nentina niampangana ireto roalahy ireto. Omaly araka izany nentina natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto, ary nadoboka teny Tsiafahy avy hatrany, araka ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana. Hatreto tokoa raha ny tatitra voaray dia efa tafiakatra 23 ny isan’ireo olona voasambotra sy nadoboka am-ponja vonjimaika noho ny resaka fakàna an-keriny, hatramin’ny volana aogositra 2017 teo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici