Teo amin’ny toeram-pivarotana lehibe eo an-toerana, manamorona ny lalam-pirenena faharoa, no nitranga ny halatra ny alin’ny asabotsy teo. Raha somary variaba tao anaty tranom-barotra ny tompon’ny kodiaran-droa, efa natosiky ny lehilahy iray ny fananany. Nisy nahatsikaritra izany ary nampandre ny zandary. « Nidina teny ifotony arak’izany nanao ny fitsirihana sy ny fitadiavana. Fantatra araka ny fanomezam-baovao teny an-toerana fa lehilahy iray nanao akanjo mazava alina no nanosika io moto io nizotra nankany amin’ny toerana antsoina hoe Antahikihady-Fiadanana, tanàna iray ao Ambohimalaza. Niroso tamin’ny fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona teny an-toerana kanefa vao nahatazan-davitra ilay mpangalatra dia natsipiny ny kodiaran-droa ary ny tenany kosa nandeha nitsoaka sy niafina tanaty goavy. Voasambotra ihany nony farany rehefa nifanenjehana », raha araka ny fanazavan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimalaza. Nivoatra tao anaty fanadihadiana ny fomba fangalaran’ilay olon-dratsy moto. « Mody mijanona akaikin’ireny toerana fiantsonan’ny Moto ireny. Eo no mitily hoe iza no moto tsy mihidy ny lohany, ka atosika moramora avy eo » raha araka ny fanampim-panazavan’ny zandary hatrany. Ny lesona azo tsoahina izany dia mila hasiana hidiny hatrany ny moto, farafaharatsiny ny hidin’ny lohany izay avy amin’ny fanalahidy. Izany koa anefa, raha mampiasa lakile « passe-partout » ny jiolahy dia mbola mety voavahany ihany. Mila farafaharatsiny izany mampiasa rojo raha hijanona elaela amin’ny toerana iray tsy misy mpiambina.
D.R