- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Nalainy hatramin’ny télécommande

Ambohimalaza : Nalainy hatramin’ny télécommande

Nobatainy ny fahitalavitra, ny radio, ny vilany rehetra, eny fa hatramin’ny fibaikon-davitra amin’ny fahitalavitra aza. Nanam-potoana arak’izany ity mpamaky trano tetsy Andranomahavelona-Ambohimalaza ity. Ny tsy fantany anefa dia nisy nahita izy niditra tao amin’ilay trano ary nisy nahita koa ny nibatany ireo entana. Efa nampandre ny zandary ny olona ary efa vory koa ny fokonolona teo amin’ny fotoana nivoahan-drangahy. Dia noraisim-potsiny ara-bakiteny. Nosamborin’ny zandary eo anivon’ny borigadin’Ambohimalaza ary nanokafana fanadihadiana noho ny vaky trano. Tsy afaka ny nandà na ny kely aza satria sady tratra ambodiomby no mbola teny aminy koa ireo fitaovana rehetra famakiana trano. Isan’izany ny maritoa, ny “barre à pince”, ny “tournevis”, ny kitapo sy ny gony izay hamatrarana ny entana halatra. Asa izay mba tao anatin’ity olon-dratsy izay nandeha irery nanatontosa ny asany ity. Sady mibata no mitsikilo no mamaky trano. Toe-javatra izay tena sarotra tanteraka kanefa dia nataony ireny. Manomboka mihamailo ny olona eny an-toerana ary miambinambina avokoa amin’ny alina.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici