Ny vady andefimandriny sy ny rafozany no indray notsatohany tamin’ny angady. Nitsoaka izy nony avy teo. Teny Ampandrana-Ambohimalaza no nisian’izany vono olona izany ary mbola anatin’ny fanadihadiana ny zandary mba hamantarana izay antony nitarika ilay raim-pianakaviana ho nanao ity habibiana ity. Samy naratra mafy izy roa vavy, fa ilay rafozany kosa no tsy tàna ny ainy nandritra ny fitondrana azy teny amin’ny CSB2. Hatramin’ny omaly,dia mbola notsaboina ilay ramatoa izay vadiny ihany ary izy kosa rehefa natao ny fikarohana dia voasambotry ny zandary ary efa nanomboka nohainoina.
D.R