- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Rangahy iray maty nipoahan’ny dinamita tao anaty “carrière”

Ambohimalaza : Rangahy iray maty nipoahan’ny dinamita tao anaty “carrière”

Potika ny lohany ary nipitika ny tanany havia. Maty tsy tsa-drano ny lehilahy iray 35 taona izay mikarama ho mpanapoaka vato eny Ambohimalaza. Omaly tamin’ny sivy ora sy sasany no nitrangan’ny loza teny an-toerana, tao anaty “carrière” iray. Raha araka ny loharanom-baovao teny an-toerana dia efa andro maromaro no niezaka nanapoaka io vato io ity rangahy ity. Tsy nety vaky mihitsy anefa izany ary omaly izy dia mbola niverina indray hanao izany, kinanjo nipoaka tampoka ilay izy ary dia niara-nifatratra tany aminy na ny dinamita na ny vato. Ny manam-pahefana amin’iny toerana dia nanazava fa tsy manana alàlana hanao io asa io teo amin’io “carrière” io ilay rangahy niharam-boina. Efa nisy ny fidinan’ny mpitandro ny filaminana teo an-toerana rehefa misy ny fipoahana dinamita saingy vetivety foana dia tsy misy hita eo intsony ireo olona miasa an-tsokosoko manapoaka vato. Matetika aza, raha araka ny fanazavana hatrany, dia tsy ny tompon’ny “carrière” akory no manao ny fanapoahana fa olon-kafa miditra an-tsokosoko eo amin’ny toerana. Tombanana ho intelo isan’andro eo ny fanapoahana vato eo amin’ny “carrière”, izay orinasa telo ihany no manana alàlana hanao izany. Tato ho ato anefa dia nitombo izany ary tsy fantatra intsony izay tena manatontosa azy. Izay no anton’ny nidiran’ny mpitandro ny filaminana an-tsehatra saingy mailo ihany koa ireo olona ka mitsoaka raha vao mahita azy ireo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici