- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Tambajotran-jiolahy voasambotry ny  zandary

Ambohimalaza : Tambajotran-jiolahy voasambotry ny  zandary

Rava ihany ny niafaràny ! Andian-jiolahy, efa ikoizana amin’ny famakiana trano, teny amin’iny faritra Ambohimalaza iny no ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza ny herinandro teo. Miisa enina ireo olona voarohirohy, natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.

Efa ela no nikarohana fatratra ireto mpamaky trano sy mpandray entana halatra ireto, teny an-toerana, raha ny fanazavana azo. Nisy sasantsany tamin’izy ireo no efa fantampatatra ihany saingy tsy nisy porofo azo nanenjehina azy. Tamin’ity indray mitoraka ity, tsy afa-niala intsony izy ireo. Taorian’ny angom-baovao azon’ireo zandary mantsy, nahafantarana ny toerana iray fanafenan’ireo olon-dratsy ny entana halatra azo, dia nisy avy hatrany ny fidinana ifotony, nisavana ilay trano, rehefa nahazoana alalana tany amin’ny Fitsarana. Tetsy Angodogodona, fokontany Ambatomalaza no nanaovana izany.

Natao ny fisavana, ary nahatratrarana entana halatra toy ny kidoro, bodofotsy, lamba isan-karazany, kojakojan-dakozia, varavarambe sy vararam-pitaratra maromaro ary fanaka isan-karazany efa rava tao amin’izany trano izany sy tao amin’ny trano telo hafa. Marihina fa ankohonana iray ihany no monina ao. Fantatra teo fa entana vao avy nalain’izy ireo tamin’ny tokantrano iray teny Andrailoha, fokontany Ambatomalaza, ireo. Nosamborina teo no ho eo avy hatrany moa ireto tompon-trano : olona efatra.

Tao anatin’ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa ny telolahy tamin’izy ireo no olona ikoizana amin’ny famakiana trano teny an-toerana. Nirosoana lalindalina ny fanadihadiana ka niampy vehivavy anankiroa, izay fantatra fa isan’ireo mpandray sy mpividy ireo entana halatra, no nosamborin’ny zandary. Ny zoma lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto olona enina, ao anatin’ity tambajotran-jiolahy mpamaky trano ity. Ny efatra tamin’izy ireo no fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa. Amin’ny alakamisy ho avy izao no daty hitsarana ireto olona ireto.

Nankasitrahan’ireo mponina teny an-toerana izao vokatra azon’ny zandarin’Ambohimalaza izao. Satria dia efa ela ireto olon-dratsy ireto no nampikolay sy nampitondra faisana ireo mponina. Saingy tsy nety voasambotra raha tsy izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici