- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Taxi-brousse nivadika, roa naratra mafy

Ambohimalaza : Taxi-brousse nivadika, roa naratra mafy

Amin’ny andro antoandro, tsy misy orana ary maina ny làlana no nivadika tany anaty hantsana ilay fiara fitaterana mitondra ny marika Mazda. Avy any Ambatomanga izy io ary mpitatitra olona miakatra eo Ambohimangakely sy an-drenivohitra. Nivadika ambony ambany tany anaty hantsana efa ho 20 metatra. Olona roa izay notateriny no tena naratra mafy ary nentina haingana teny amin’ny hopitaly akaiky indrindra. Vita izay, noho ny fahasarotan’ny fahavoazana, dia voatery nentina niakatra amin’ny hopitaly lehibe eto an-drenivohitra, ny Hjra. Notazomin’ny zandary kosa ny mpamily ilay taxi-brousse ary nanokafana fanadihadiana. Ny fantatra hatreto dia any amin’ny làlana tsy tokony nizorany ilay fiara no nandeha. Nanivaka izy ary izany, raha araka ny tombana, dia mba hialàna ny barazin’ny zandary eny amin’ny RN2 izay mifanandrify amin’ny fandanjàna fiara teo aloha. Raha ny heno koa momba ity lozam-pifamoivoizana ity ihany, dia niraikitra tampoka ny familiana. Tsy vitan’izay fa raha tokony hanitsaka hisatra ny mpamily dia tany amin’ny fampandehanana mafy indray no vohitsany. Tsy voafehy intsony ilay fiara ary nanitsy tany anaty hantsana. Soa fa tany malemy satria tanimboly ny tao ambany. Soa ihany koa fa mba nijanona teo amin’ilay rihina voalohan’ny hatsana izay nisy tanimboly fa raha tsy izany dia loza tanteraka ny nitranga sy ny nanjo ireo olona folo (mpandeha sivy) izay tao anatin’ny fiara. Etsy ankilan’izany, simba tanteraka ity làlana nitragan’ny lozam-pifamoivoizana ity noho ny tsy fisian’ny fikojakojàna kanefa saika fiara mavesatra avokoa no mivezivezy eo. Isan’ny andrandrain’ny mpifidy eny an-toerana amin’izay ho ben’ny tanàna vaovao eo ny fanamboarana io làlana izay mihazo amin’Andranonahotra sy Ambohiboahangy io, izay hany làlana tokana mizotra mankany amin’ny lalan-tsaran’Imerinkasinina ary mampifandray haingana amin’andrenivohitra, ankoatra ny lalam-pirenena. Tamin’ilay loza dia nisy fiara nanao propangady izay sendra nandalo ary io no nanome tànana faran’izay haingana tamin’ny fitaterana ny marary tany amin’ny hopitaly. Nankasitrahan’izay nahita izany fihetsika izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici