Nandritra ny fisàvana mahazatra nataon’ireo zandary misahana ny fifamovoizana, teny amin’iny lalam-pirenena faharoa, tetsy Ambohimalaza no nahatratrarana ireto mpanondrana hazo sarobidy ireto, ny faramparan’ny volana lasa teo, araka ny tatitra nataon’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Centrale, ny Kapiteny Andriambeloniaina Safidiniavo. Olona roa no voarohirohy sy nosamborina tao anatin’izao raharaha izao, ny mpamilin’ilay fiara sy ny tompon’ny entana, izay atolotra ny Fampanaovana anio.
Ny andron’ny 28 oktobra lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any, raha nanao fisavàna mahazatra ireo zandary avy etsy Ambohimalaza, no tojo ity taxi-brousse iray ity, avy any amin’iny faritra Atsinanana iny, handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Rehefa nojerena ny zavatra nentiny dia hazo, izay feno hatreny ambony tafo ka hatrany ambany « soute ». Rehefa nojerena akaiky dia fantatra fa bolabolan’andramena izy ireo. Niisa teo amin’ny 58 teo izany, ary milanja eo amin’ny iray taonina sy sasany teo. Nogiazana teo no ho eo ihany moa izany hazo izany, niaraka tamin’ny fiara nitondra azy. Notanana natao andrimaso kosa ny olona tao anatin’izany. Niarahana nanatanteraka tamin’ny tompon’andraikitra misahana ny tontolo iainana ny fanadihadiana azy ireo.
Raha ny fanazavana azo dia bolabolan’andramena efa nogiazana, ny taona 2015, efa vita marika sy voaisa, napetraka tamin’ny tompon’andraikitra misahana ny tontolo iainana tany amin’iny faritra Fenoarivo Atsinanana iny ireto nentin’ireto olona ireto, niakatra taty an-drenivohitra ireto, rehefa avy nangalarin’izy ireo. « Toerana tsy voaaro tsara ny nametrahana azy ireto, satria dia miparitaka eny amoron’ny vinany iray tany an-toerana », hoy hatrany ny fanazavana azo. Izay toe-javatra izay no heverina fa nisarika ny sain-dratsin’ireto olona ireto, hangalatra ireto hazo sarobidy ireto. « Mety ho efa fanaon’izy ireo izany, saingy izao vao tra-tehaka ». Rehefa nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana dia hita fa efa banga be dia be izany tahirin’andramena nogiazana izany. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra mazava raha hokasaina haondrana izany hazo izany. Ny hany nolazain’ireto olona voasambotra ireto nandritra ny famotorana azy, ny dia hoe, avadika ho fanaka aty an-drenivohitra izany hazo sarobidy izany. Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity, ary mbola misy ireo olona tadiavina, raha ny fanazavana azo hatrany.
m.L