Miala eto an-drenivohitra mba ho eny Ambohimalaza. Mandalo sampanan’Imerinkasinina ny làlana satria misy olona iray hafa alaina. Izany hoe manao taingin-telo manomboka eo. Izay no nifanarahan’ny lehilahy iray tamin’ny taxi-moto. Neken’io farany ilay asa. Roso tokoa ary ny dia ary dia nizotra araka ny tokony ho izy hatreo amin’ny ampahan-dàlana voalohany nanaovana taingin-droa. Tsy nisy ahiahy nipetraka arak’izany teo amin’ilay mpitondra moto. Rehefa tonga tamin’ny fotoana nangalàna ilay olona fahatelo dia nanomboka niova ny fisehoan-javatra. Nasain’ireo mpanofa moto mba hiara-hisotrosotro kely aminy ilay taxi-moto. Teo izany dia nokendrena ny mety hanapozinana azy na koa hanamamoana azy dia hangalàna mora foana ny kodiaran-droa avy eo. Tsy tafiditra tamin’izay fandrika izay anefa ilay mpanamory. Nitohy ihany ny dia ary ilay olona fahatelo no nanoro ny làlana. Teo amin’ny mangingina izay nifanandrify amin’ny tanàna antsoina hoe Andranonomby no niseho ny herisetra. Notifirina bigboss (etona manempotra sy mety mahatorana) ny mpamily moto ary raha vao nianjera dia nalaina ny kodiaran-droa. « Niantso vonjy haingana ny voaendaka ary tsy miandry birao ireo zandary fa naparitaka anaty faritra sahaniny ka vetivety dia tonga ny zandary tsy lavitry ny toerana nisian’ny fanendahana. Vokatry ny fiarahamientan’ny fokonolona niantso zandary haingana. Tsy lasa lavitra akory dia tratra ny iray nanosika moto. Ilay rangahy izay antsoina hoe ‘dadatoa’ kosa dia mbola karohina rehefa niala teo amin’ny toerana nahazoany ilay moto. Nosavaina ny tranon’ny voasambotra ka nahitana moto iray hafa izay marina MILANGO_2580_TBG ary tsy misy taratasy mazava. Nogiaza izany raha efa tafaverina amin’ny tompony kosa ilay moto nanaovana taxi-moto. Natolotra ny fitsarana ny raharaha ary nidoboka am-ponja vonjimaika ilay voasambotra ary mbola mitohy ny fikarohana ilay namany » raha araka ny fanazavan’ny zandary eo anivon’ny borigadin’Ambohimalaza.
D.R