- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Taxi-be nagalarin’ny mpamily, nanjavona ny kojakoja rehetra

Ambohimalaza : Taxi-be nagalarin’ny mpamily, nanjavona ny kojakoja rehetra

Omaly no hita teny amin’ny toerana fitsangantsanganan’ny olona eny amin’ny faritr’Ambohimalaza ny fiara taxi-be iray izay fantatra fa nentin’ny mpamily nandositra tamin’ny faha-31 desambra 2013. Tsy hita intsony ny kodiarana efatra sy ny “boîte de vitesse”. Rehefa azon’ilay mpangalatra izany dia nariany ilay vatana fiara. Hita niparitaka teny amin’ilay toerana ihany koa ny taratasy mikasika an’ilay fiara. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nisy nanofa ity fiara miasa eny amin’ny faritra Ambohimanarina ity tamin’io andro voalaza etsy ambony io. Naka solika teny amin’ny faritry ny 67 Ha ry zareo talohan’ny handehanana haka olona nanao « spécial ». Tamin’io fotoana io anefa, voalaza fa nasain’ilay mpamily nivoaka ny mpanampy azy ary avy hatrany dia nentiny nandeha ny fiara. Nihanahana teo fotsiny ilay mpandray vola fa tsy nahita nolazaina. Ny hany nataony dia ny nilaza ny zava-nisy tany amin’ny tompony. Tonga dia nampandrenesina ny mpitandro filaminana. Efa natao ny fikarohana nandritra izay andro telo izay dia izao hita omaly izao ilay izy. Tsy mbola tratra kosa anefa ilay nangalatra. Efa mandeha ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser